6 Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely.
7 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima.
9 Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra etỳ an-tanako.
10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana.
11 Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
12 Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro.