Eksodosy
toko 21:25-31
Malagasy Bible
25may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mivatra solon'ny mivatra.
26Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
27Ary raha ny nifin'ny andevolahy na ny andevovavy no afany, dia halefany ho afaka koa izy noho ny nifiny.
28Ary raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka mahafaty azy, dia hotoraham-bato tokoa ny omby, ary tsy hohanina ny henany; ary ny tompon'ilay omby dia ho afa-tsiny.
29Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
30Raha sazina izy, dia handoa vidin'aina araka izay sazy atao aminy.
31Raha manoto zazalahy na zazavavy ny omby, dia araka izany lalàna izany koa no hanaovana azy.