Eksodosy 3:15-21 MG1865

15 Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.

16 Mandehana, dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;

17 ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.

18 Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.

19 Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan'ny mpanjakan'i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin'ny tanana mahery aza.

20 Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.

21 Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;