6 Ary ny vato beryla nasiany randram-bolamena manodidina, ary dia nosoratany, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, araka ny anaran'ny firenen'ny Zanak'Isiraely.
7 Ary nataony teo amin'ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely, dia araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
8 Ary nanao ny saron-tratra tamin'ny asan'ny mpanenona mahay izy, tahaka ny nanaovana ny efoda, dia volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9 Ary efa-joro miforitra roa no nanaovany ny saron-tratra, ary irain-jehy avy ny lafiny efatra, sady niforitra roa izy.
10 Ary nasiany vato nalatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra andalana: ny andalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
11 ary ny andalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
12 ary ny andalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;