11 Fa nony hitan'i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
12 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran'ny tany Egypta rehetra izany.
13 Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr'i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran'ny tany Egypta rehetra.
14 Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin'ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin'ny olona sy teny amin'ny biby fiompy.
15 Dia hoy ny ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah.
16 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan'i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
17 Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon'ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.