1 Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan'ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
2 ary tonga teo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
3 Ary tany amin'ny isan-tokony tamin'ny fanjakana rehetra nalehan'ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin'ny lamba fisaonana aman-davenona.
4 Ary niditra ny ankizivavin'i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin'ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin'i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.
5 Ary Estera niantso an'i Hatàka, tsindranolahin' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin'i Mordekay, mba hahafantarany izay anton'izany.