12 Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
13 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.
14 Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
15 Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
16 dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
17 Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
18 ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo!