24 Ry zanak'olona, lazao aminy hoe: Hianao no tany tsy hazavain'ny hainandro sady tsy ilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro fahatezerana.
25 Mikomy ny mpaminany ao aminy; tahaka ny liona mierona mamiravira haza izy; mihinana olona izy sady mahalasa ny harena sy ny zava-tsoa ary mahamaro ny mpitondratena ao aminy.
26 Ny mpisorona dia mandika ny lalàko sy mandoto ny zavatra masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina izy, na mampiseho ny tsi-fitovian'ny maloto sy ny madio, ary mitampi-maso tsy hijery ny Sabatako izy, ary tsiratsiraina ao aminy Aho.
27 Toy ny amboa-dia mamiravira haza ny lehibeny ao aminy ka mandatsa-drà sy mahafaty aina ary mahazo harena amin'ny tsy marina.
28 Ary ny mpaminaniny mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ka mahita zava-poana sy maminany lainga aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo; nefa Jehovah tsy niteny tsinona.
29 Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy andrariny.
30 Ary nitady olona teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako hifona ho an'ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita;