11 Ny terak'i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin'ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin'ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin'ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
12 Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben'ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
13 Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
14 Ny terak'i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
15 Ny terak'i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin'ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.
16 Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan'ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
17 Joda sy ny tanin'ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.