1 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Ry zanak'olona, ataovy amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy amin'ny vahoakany maro be hoe: Tahaka an'iza moa ianao amin'ny fahalehibiazanao ?
3 Indro, Asyria dia sedera tsara rantsana any Libanona ary misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo, ka mitehika amin'ny rahona matevina ny tendrony.
4 Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
5 Koa dia nijoroaka ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan'ny rano tamin'ny fisandrahany.
6 Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra.