Ezekiela 36:1-7 MG1865

1 Ary ianao, ry zanak'olona, maminania amin'ny tendrombohitry ny Isiraely, ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely, mihainoa ny tenin'i Jehovah:

2 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nanaovan'ny fahavalo anareo hoe: Hià! efa lasanay ny havoana fahagola!

3 Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,

4 Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,

5 Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny  fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.

6 Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,

7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.