4 Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,
5 Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
6 Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho efa nanangan-tanana nanao hoe; Ny firenena manodidina anareo no hitondra henatra.
8 Fa ianareo kosa, ry tendrombohitry ny Isiraely, dia hisandrahaka sy hahavokatra ho an'ny Isiraely oloko; Fa efa antomotra ny hihavian'ireny.
9 Fa, indro, hitodika ho aminareo Aho ka hanatrika anareo; Dia hasaina sy hofafazana ianareo;
10 Ary hahamaro ny olona eny aminareo Aho, dia ny taranak'Isiraely rehetra rehetra, ary honenana ny tanàna, ka haorina indray ny efa rava;