20 An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
21 Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
22 Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.
23 Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
24 Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
25 Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
26 Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.