24 Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
25 Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
26 Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.
27 Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
28 Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
29 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
30 Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.