31 Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
32 Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
33 Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
34 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
35 Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
36 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
37 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.