34 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.
35 Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
36 ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
37 Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.
38 Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
39 Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
40 Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.