17 ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.
18 Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin'ny hazo rofia dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,
19 ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.
20 Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.
21 Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.
22 Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.
23 Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.