Ezekiela 45:17-23 MG1865

17 Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny taranak'Isiraeb.

18 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masina.

19 Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.

20 Ary toy izany koa no hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.

21 Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.

22 Ary amin'izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra.

23 Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.