17 Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany.
18 Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.
19 Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana.
20 Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
21 Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
22 Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
23 Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.