2 Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana.
3 Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
4 Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
5 Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
6 Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy.
7 Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa.
8 Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.