1 Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
2 Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
3 Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.
4 Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.
5 Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
6 Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.