8 Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
9 Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
10 Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.
11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha.
12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.