17 Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
18 Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20 Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
22 Ary tamin'izany andro izany Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra ianao amin'izay rehetra ataonao;
23 koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.