28 Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
30 Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
31 Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
32 Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
33 Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
34 Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.