1 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba : Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony ianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao.
2 Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo;
3 ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny lalana izay nalehako.
4 Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.
5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.