4 Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo.
5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy.
6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny.
8 Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo ambanin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota.
9 Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy.
10 Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no anarany.