4 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6 Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe.
8 Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra.
9 Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona;
10 dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao.