23 Ary ny zanakalahin'i Dana dia Hosima.
24 Ary ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25 Ireo no zanakalahin'i Bila, izay nomen'i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak'i Jakoba; fito no isan'izy rehetra.
26 Ny isan'izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin'ny zanakalahin'i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27 Ary ny zanakalahin'i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan'ny terak'i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28 Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin'i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin'ny tany Gosena izy.
29 Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an'Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin'ny vozony.