12 Dia novelomin'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy.
13 Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
14 Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola.
15 Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
16 Ary hoy kosa Josefa : Omeo ny omby aman'ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
17 Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman'ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra.
18 Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;