17 ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
18 Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
19 Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho?
20 Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21 Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
22 Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona.
23 Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany.