11 Fa hitaraina ny vato ao amin'ny rindrina, Ary ny sakamandimby ao amin'ny trano no hamaly azy.
12 Lozan'izay manao vohitra amin'ny fandatsahan-drà Sy manorina tanàna amin'ny heloka!
13 Indro, tsy avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, va no hiasan'ny olona ho an'ny afo, Sy hisasaran'ny firenena noho ny zava-poana?
14 Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr'i Jehovah, Toy ny fanaron'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.
15 Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany;
16 Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao.
17 Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.