1 Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.
2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
3 Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
5 Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?
6 Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.