1 Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.
2 Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
3 Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
4 Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
5 Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.