10 Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
11 Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
12 Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
13 Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
14 Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
15 Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.
16 Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;