3 Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
4 Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
5 Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
6 Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo;
7 Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
8 Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin'ny rano.
9 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.