14 Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
15 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
16 Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin'ny harambato?
17 Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy ianao,
18 Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
19 Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako hiala amin'ny raharahanao
20 Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;