9 Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
10 Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
11 Hianao, ry ory izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin'ny safira,
12 Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
13 Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao.
14 Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
15 Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa.