10 Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
11 Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
12 Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
13 Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
14 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
15 Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.