6 Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
7 Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
8 Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
9 Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
10 Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka dia tahaka ny maty isika.
11 Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
12 Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,