9 Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
10 Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
11 Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.
12 Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.
13 Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona.
14 Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
15 Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.