1 Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
2 Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an'ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
3 hatrany Sihora, izay atsinanan'i Egypta, ka hatramin'ny fari-tanin'i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an'ny Kananita, ireo andriana dimy amin'ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
4 any atsimo, dia ny tanin'ny Kananita rehetra sy Meara, izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin'ny fari-tanin'ny Amorita,