14 Ny firenen'i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
15 Ary nomen'i Mosesy lova ny firenena taranak'i Robena araka ny fokony
16 Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
17 dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin'ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona
18 sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata
19 sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha,
20 sy Beti-peora sy ny ao am-bodin'i Pisga ary Beti-jesimota