29 Ary nomen'i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena taranak'i Manase araka ny fokony:
30 Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.
31 Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony.
32 Ireo no voazaran'i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
33 Ary ny firenen'i Levy tsy mba nomen'i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.