1 Ary izao no nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;
2 tamin'ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny firenena sivy sy sasany.
3 Fa efa nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
4 Fa firenena roa ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany.
5 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
6 Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.