Josoa 17:11-17 MG1865

11 Ary Manase nahazo anjara koa teo amin'Isakara sy teo amin'i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin'ny havoana telo ireo.

12 Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak'i Manase: fa tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.

13 Fa rehefa nihahery ny Zanak'Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.

14 Dia niteny tamin'i Josoa ny taranak'i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin'Jehovah toy izao mandraka ankehitriny ?

15 Dia hoy Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao, dia miakara any amin'ny ala, ka miteveza honenanao any amin'ny tanin'ny Perizita sy ny Refaita, fa tery loatra aminao ny tany havoan'i Efraima.

16 Dia hoy ny taranak'i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin'ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin'ny tany lemaka Jezirela.

17 Dia hoy Josoa tamin'ny taranak'i Josefa, dia Efraima sy Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra: tsy anjara iray ihany no ho azonao, fa tany havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao ny an-tsisiny: fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy aza izy ireo sady mahery.