12 Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.
13 Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo amin'ny tani-hay any Jeriko.
14 Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.
15 Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
16 Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
17 Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18 Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.