14 Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.
15 Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
16 Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
17 Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18 Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
19 Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.
20 Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.