1 Ary rehefa nandre izany ny mpanjaka rehetra izay etỳ an-dafin'i Jordana, na ny tany amin'ny tany havoana, na ny tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tany amoron'ny Ranomasina Lehibe tandrifin'i Libanona, dia ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita,
2 dia niray hina niangona hiady amin'i Josoa sy ny Isiraely izy.
3 Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan'i Josoa an'i Jeriko sy Ay,
4 dia nanao hafetsena kosa izy ka nandeha, ary nody ho iraka ka nitondra lasaka tonta nasampiny teo amin'ny borikiny sy siny hoditra tonta sady triatra ka nofehipehezina nasiany divay,
5 ary kapa tonta sady nitampintampina teo amin'ny tongony, ary lamba tonta notafiny; ary efa maina sy bobongolo ny mofo rehetra izay vatsiny.
6 Dia nankany amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala izy ireo ka niteny taminy sy tamin'ny Isiraelita nanao hoe: Avy any an-tany lavitra izahay; koa ankehitriny mba manaova fanekena aminay ianareo.