Levitikosy
toko 22:8-14
Malagasy Bible
8Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.
9Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin'ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasina azy.
10Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masina; na izay mivahiny ao amin'ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.
11Fa raha misy olona novidin'ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin'izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin'ny fihinan'ny mpisorona koa.
12Ary raha misy zanakavavin'ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin'ny fanatitra avy amin'ny zava-masina izy.
13Fa raha misy zanakavavin'ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
14Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin'ny zava-masina, dia honerany ny zava-masina ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina: