Mpitoriteny
toko 9:1-7
Malagasy Bible
1Fa ireto dia nalatsako tato am-poko sady nodinihiko avokoa: ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia samy eo an-tànan'Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana, na ho fankahalana, dia samy tsy fantatry ny olombelona; fa zavatra mbola ho avy aminy avokoa izany rehetra izany.
2Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny meloka, ny tsara fanahy sy ny madio ary ny tsy madio, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin'ny tsara fanahy sy ny amin'ny mpanota, ary ny amin'ny mianiana sy ny amin'izay tsy sahy hianiana.
3Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
4Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
5Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
7Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.